Fahoriana mihoatra ny vala
Alahelo mampiendrika adala
Fisentoana mandritry ny taona
No manery ity foko hisaona
Aza maika sombinaina
Mandrenesa mihainoa
Fa ny ray matoa mibaiko
Dia maniry anao mba ho soa
O ry dada ô, dia ho didy
Raha hahazo hisafidy
(K’aza maika ) ô ry dada ô (sombinaina)
Dia ho didy (mandrenesa mihainoa)
Raha hahazo hisafidy
Ny fitiava-tsy voatsapa
Fa hazo boboka ao anaty
Vao maniry dia voakapa
Mbola maintso dia efa maty
Aiza? aiza no tany tsy diavim-pitia
Ka diaviko mafy dia mafy
Satria ny fitiavan-drehetra eto amboni’ny tany
Dia arahina tsiky, arahanina tomany
Ratianarivo ANDRIANARY